Hai-varotra 1
- 2. LESONA 1 : FANTATRO NY TSENA !
Toerana iray izay
hivarotako
Inona moa no
atao hoe
TSENA ?
Ao ireo mpivarotra,
ireo entana amidy,
ny vola ary ireo
mpividy
Ary inona avy no
hita ao ?
Ny TSENA izany dia toerana iray izay hihaonan’ireo
mpividy sy mpivarotra.
2
- 3. LESONA 2 : AMPIHARO NY HAY VAROTRA !
Fomba enti-
mivarotra ahazoana
manome
fahafahampo anao
mpividy !
Ary inona indray
ity hoe HAY
VAROTRA ?
Misafidy izay fomba
famokarana afaka
hanome fahafahampo
hoan’ny mpividy
Dia inona no
ataon’I Dadazily
amin’izany ?
3
- 4. Misafidy ihany koa izay fomba
fametrahana vidin’entana tsy
mamono antoka nefa zakan’ny
mpividy
Misafidy koa ireo fomba
hitsinjarana ny entana
hanakaikezana be be kokoa ireo
mpividy
4
- 5. Tsy azo
tsinotsiniavina koa
ireo fomba
fifandraisana amin’ny
manodidina !
Tsia !
Koa tsy handany
vola be ve izany
rehetra izany ?
Fantaro aloha izay mety ho filan’ireo mpividy :
- Inona no antony hividian’ilay mpanjifa ireto entana ?
- Ahoana no mety hitiavany izany ?
- Inona no vokatra andrasany amin’izany ?
5
- 6. LESONA 3 : ANDEHA ARY ISIKA HIVAROTRA !
Handeha handresy
lahatra ireo
mpividy e !
Dia inona no
tkony ho
ataontsika
amin’izany ?
Ho finaritra ianao
raha hiditra ny
tokantrano
isan’andro
- Hampahafantaro ireo mpividy ireo tranga
ratsy ho voasoroka, ho foana sy azo
hahena amin’ny fampiasana ireo
entantsika
- Hampahafantaro azy ireo koa ireo
tombo-tsoa mety ho azony amin’ny
fampiasana ireo entantsika
6
- 7. LESONA 4 : NY SERASERA, ANTOKY NY FAHOMBIAZANA !
Fitaovana tsotra
no andeha
hampiasaina !
Ahoana ny
mikasika io ?
Ity ny kara-
pifandraisako
amin’ireo
mpakato amiko Dadazily
Mpanety
(Lahy, vavy, ankizy)
Tél : 034 12 … .. Pavillon 34 Tsenan’Isotry
7
- 8. Manao peta-
drindrina ihany
koa aho !
HO ANAO MITADY MPANETY ZA-
DRAHARAHA
DADAZILY
AFAKA MANOME ASA VOAKALY,
MIFANARAKA AMIN’NY HETAHETANAO
VIDINY MIRARY
LOT IVK 127
ANKADIFOTSY
ANTANANARIVO 101
Ireo fitaovana ireo dia manampy amin’ny fahampahafantarana ireo
mpividy ny fisiako, ny asa ataoko ary ny mety ho azon’izy ireo
amin’ny fahatongavana ato amiko
Manaramaso ny
fahafahampon’ny
mpankato amiko ihany
koa anefa aho !
Fisy hoan’ny mpividy
Daty Entana Isany Anaran’ny Adiresy sy
novidiana mpividy Laharan’ny
finday
8
- 9. LESONA 5 : MANDROSO NY VAROTRO !
Afapo ny mpividy, izao
ihany koa mahazo
tombony ! Ahoana koa izany ?
Havao tsara ny
masokarenanao sy ny
tombony !
Nividy lafarinina aho 1kilao, 800 Ar, siramamy
fahefany, 500 Ar sy atody dimy 700 Ar. Kitay 600
Ar no fanampin’ireo. Nandeha taxi be aho 600 Ar.
Mofo 10 no vitan’ireo rehetra ireo.
9
- 10. Kajio ary izay mety
ho vidin’entanao !
Masokarena :
800 + 500 + 700 + 600 + 600 = 3 200 Ar
Satria mofo 10 no vitany dia hoan’ny mofo iray
izany dia :
Masokarena = 3 200/10 = 320 Ar
Ny masokarena izany dia
izay vola laninao rehetra Ary ny tombony ?
tamin’iny entana
novokarinao iny
Ny tombony indray
dia kajinao avy
amin’io
masokarenanao io
Masokarena = 320 Ar
Ny tombony heritreretiko dia
… isan-jaton’io
Tombony = 320 x … %
Tombony = 64 Ar
10
- 11. Ary ny vidiny ?
Masokarena
+
Tombony
=
320 + 64
Ny masokarena dia ampiasainao ho amin’ny
famokarana manaraka.
Ny tombony kosa dia ho entinao hanatsarana
ireo fitaovana, hanitarana ny tsena, …
TOROMARIKA VITSIVITSY MIKASIKA IZAY TOKONY HO
FITONDRAN-TENANAO MANOLOANA NY MPANJIFA
Mampiasa voambolana tsotra sy mazava, fampiasa amin’ny fiainana
andavanandro
Ohatra : Voasary, paoma, satroka
Fadio ny voambolana fandrarana
Ohatra : Tsy azo raisina ny entana
Ario ireo fahazaran-dratsy
Ohatra : Hompa, mamafa lelo amin’ny tanana, fihinanana
paraky
Kajio ny fahadiovana ara-batana, ara-pitafy
Ohatra : Akanjo madio, tsy mamofompofona
Fadio ny fanaratsiana ireo mpifaninana aminao
Ohatra : Tsy mahay rafitra noho izahay akory ireo fa aza 11
mividy fanaka ao