SlideShare une entreprise Scribd logo
1  sur  12
fanao amin’ny
fitsangantsanganana.
Teny fampidirana
 Sahiran-tsaina mitady kilalao entina hanatsara ny fifandraisan’ny
mpianakavy, na mpiara-mianatra, na ny mpiara-miasa ve
ianao? Indreto misy kilalao vitsivitsy atolotra anao, natao
hanatsarana ny fifandraisan’ny mpianakavy na ny mpiara-
mianatra, na ny mpiara-miasa mandritra ny fotoana fialan-
tsasatra na fitsangantsanganana.
 Tsy mila fiomanana mialoha ny ankamaroan’ny kilalao, ary azo
atao amin’ny toerana rehetra, na anaty trano na an-tokontany.
Tsy mifidy taonan’ny mpandray anjara, ary azo atao amin’ny
fotoana rehetra.
Samy manoratra ny anarany sy ny
mombamomba azy amin’ny taratasy kely
avokoa ny mpandray anjara tsirairay avy.
1. Anarana sy sary maneho ny
mombamomba ny mpandray
anjara no hosoratany, toy ny zava-
pisotro, na fanatanjahan-tena, na
sakafo, sy ny fialam-boly tiany.
2. Angonina dia atao anaty satroka ny
taratasy kely rehetra.
3. Samy maka taratasy key iray avy
anaty satroka ny tsirairay. Avy eo dia
miezaka hahalala ny olona izay
voasoratra ao, amin’ny
fanontaniana ny momba ilay olona
araka ny sary hitany ao anaty
taratasy; nefa ny valin-teny homena
azy dia tsy misy afa-tsy ny “Eny” na
“Tsia” ihany.
4. Ny tanjona dia ny hampifandraisana
ny olona rehetra sy ny
hifankahalalana.
5. Ny faharetan’ny kilalao dia 10
minitra.
Samy manoratra anaran’ olo-malaza
amin’ny taratasy kely avokoa ny
mpandray anjara tsirairay avy.
1. Rehefa vita izany, dia angonina
avokoa ny taratasy kely misy
anaran’ny olo-malaza. Apetaka
amin’ny ankanjon’ny mpandray
anjara tsirairay ao amin’ny lamosiny
izany, nefa tsy avela ho hitany akory
ilay anarana.
2. Samy miezaka hahalala ny
anaran’olo-malaza ao an-damosiny
avokoa ny tsirairay, amin’ny
fanontaniana ny mombamomba
ilay olo-malaza voasoratra ao an-
damosiny (asany, fonenany, sns);
nefa ny valin-teny homena azy dia
tsy misy afa-tsy ny “Eny” na “Tsia”
ihany.
3. Ny tanjona dia ny hampifandraisana
ny olona rehetra.
4. Ny faharetan’ny kilalao dia 10
minitra.
1 2 3
Samy mieritreritra fihetsika mifanaraka
amin’ny anarany avokoa ny mpandray
anjara tsirairay avy.
1. Rehefa vita izany, dia samy milaza
ny anarany avy ny mpandray
anjara, ary arahina fihetsika izany.
2. Samy mamerina ny fihetsika
ataon’ny mpandray anjara avokoa
ny rehetra. Maneho ny zavatra
tian’ilay mpandray anjara ny
fihetsika atao.
3. Ny tanjona dia ny hanamora ny
fitadidiana ny anarana.
4. Ny faharetan’ny kilalao dia 10
minitra.
Samy manamboatra fiaramanidina taratsy
avokoa ny mpandray anjara, ary manoratra ny
anarany sy fanontaniana anankiroa ho an’ny
mpandray anjara hafa ao anatin’izany.
1. Rehefa vita izany, dia mijoro
manao fari-bolana ny mpandray
anjara rehetra, samy mandefa
ny fiaramanidina taratasy avy,
ary samy maka izay tandrifiny
avy eo.
2. Rehefa afaka iray na roa minitra
dia tsy misy mahazo mandefa
fiaramanidina intsony.
3. Samy miezaka mitady ny
tompon’ny fiaramanidina eny
an-tanany, ary rehefa hita izany
dia mamaly ny fanontaniana
anankiroa voasoratra ao
anatiny.
4. Farany, dia mampahalala ny
tompon’ny fiaramanidina
taratasy ny mpandray anjara
rehetra ilay olona mihazona ny
fiaramanidina.
Samy mieritreritra teny milaza ny
toetrany avy ny mpandray anjara
rehetra.
1. Rehefa vita izany, dia mipetraka
manao fari-bolana ny rehetra,
ary samy milaza ny anarany ny
ny toetrany avy.
2. Mamerina izay voalaza ny
mpandray anjara manaraka, ary
milaza ny momba azy koa avy
eo.
3. Ny tanjona dia ny
hampahafantatra ny mpandray
anjara rehetra.
4 5 6
Samy maka namana vaovao mbola tsy
fantany avokoa ny mpandray anjara
tsirairay avy, ary miaraka tsitelotelo.
1. Rehefa izany, dia samy maka
taratasy kely misy anton-dresaka
any amin’ny mpitarika avokoa
ny tarika tsirairay avy, ka
maneho ny heviny momba izany.
2. Mandritra ny 5 minitra ny
fanehoan-kevitra.
3. Rehefa afaka dimy minitra dia
mifidy olona iray hitatitra ny
fanapahan-kevitra ny tarika
tsirairay, ary samy mihaino izany
ny mpandray anjara rehetra.
.
Samy mieritreritra ny talenta entiny
manamarika ny
fitsangantsanganana avy ny
mpikambana rehetra.
1. Rehefa vita izany, dia miaraka
tsitelotelo, ka mifidy izay ho
talenta asehony ny mpandray
anjara rehetra ny tarika
tsirairay avy. Mety ho hira, na
tantara kely, na tononkalo no
haseho amin’izany.
2. Rehefa afaka folo minitra dia
manomboka ny
fampisehoana talenta.
3. Ny tarika hafa izay mijery kosa
dia maneho ny fankasitrahany
ny mpandray anjara izay
nahavita ny fampisehoany.
Samy omena lohatenin-kira malaza tsirairay
avy ny mpandray anjara rehetra; nefa
amin’izany dia misy mpandray anjara telo
manana lohatenin-kira mitovy.
1. Raha misy mpandray anjara
15, dia lohatenin-kira 5 no
homanina, satria misy
mpandray anjara tsitelotelo
manana lohateny mitovy,
nefa tsy mifankahalala.
2. Samy manao ny feon’ilay hira
voasoratra nomena azy
avokoa ny mpandray anjara
tsirairay avy, ary
mandehandeha mitady ny
roa hafa izay manana hira
mitovy aminy ny rehetra. Feon-
kira no hatao, fa tsy hira.
3. Rehefa hita avokoa ny
mpikambana mitovy hira dia
samy miresaka
mombamomba azy avokoa sy
ny hira tiany ny tsirairay avy
eo.
7 8 9
Zaraina tarika vitsivitsy ny mpandray
anjara, ka mety ho 3 na 5 no isan’ny
mpandray anjara anaty tarika iray.
1. Rehefa izany, dia samy
homena taratasy kely misy
teny iray avy ny tarika tsirairay.
2. Ohatra hoe: “Masoandro”,
Maso”, Volana”, Neny”,
Tanana nihaviana”, sns.
3. Mandritra ny 5 minitra dia
mitady hira iray misy io teny io
ny tarika tsirairay.
4. Rehefa afaka dimy minitra dia
mifandimby mihira ny hirany
ny tarika tsirairay avy.
Amporisihina ny tarika tsirairay
mba mampifanaraka tsara ny
feony sy ny hirany avy.
Samy maka vola iray avy ao am-
paosiny avy ny mpandray anjara
rehetra, ary mijery ny taona nivoahan’
izany vola izany.
1. Rehefa vita izany, dia samy
milaza ny zavatra nisongadina
teo amin’ny fiainany nandritra
izany taona izany ny tsirairay.
2. Rehefa vita izany dia manorina
tarika tsitelotelo ny mpandray
anjara rehetra, ary miresaka
misimisy kokoa ny zava-nitranga
voalaza teo aloha.
3. Ny faharetan’ny kilalao dia 20
minitra.
Miaraka tarika tsitelotelo ny mpandray
anjara, ary samy mieritreritra ny
tarigetrany isaky ny tarika avy.
1. Atao an-kira na an-tononkalo
misy andalana efatra izany
tarigetra izany.
2. Samy maneho ny tarigetran’ny
tarika misy azy avy avy eo, ka
tenenina na hiraina mafy izany.
3. Ny faharetan’ny kilalao dia 15
minitra.
10 11 12
Zaraina vatomamy tsirairay ny
mpandray anjara rehetra, ka izay
mahazo vatomamy mitovy loko ny
fonony dia miaraka ho tarika iray.
1. Rehefa izany, dia manao lisitry ny
zavatra mampiavaka azy ny
tarika tsirairay, momba ny loko
tiany, sakafo tiany, sari-mihetsika
tiany, sy ny mpilalao sari-
mihetsika tiany. Marihina fa
zavatra iraisan’ny tarika no
hataony lisitra eto.
2. Rehefa afaka dimy minitra dia
mifandimby milazalaza ny
momba ny tarika misy azy avy ny
solon-tenan’ny tarika tsirairay.
Zaraina tarika maromaro ny mpandray
anjara ka tsitelotelo ny tarika iray. Samy
miresaka izay nataony ny Zoma hariva
avy.
1. Samy milaza ny zavatra nataony
ny zoma hariva sy ny toerana
nalehany ny tsirairay. Tsy maintsy
lazaina koa izay tena
nampiavaka io hariva io amin’ny
hariva rehetra.
2. Rehefa vita izany dia milaza ny
zavatra hataony ny zoma hariva
manaraka indray ny tsirairay avy
isaky ny tarika.
3. Rehefa vita izany dia miaraka
amin’ny mpikambana avy
amin’ny tarika hafa ny
mpandray anjara tsirairay ary
mamaly ireo fanontaniana ireo
ihany.
Zaraina taratasy kely misy teny iray
avy ny mpandray anjara rehetra.
1. Milaza zavatra ilaina amin’ny
fiainana andavan’ andro ny
teny, toy ny penina, mosoara,
vilany, ondana, sns.
2. Ny mpandray anjara tsirairay dia
omena 30 segaondra na iray
minitra manazava ilay teny na ny
fampiasana azy; nefa tsy azony
atao ny miteny mivantana ilay
teny voasoratra ho azy.
3. Ny mpikambana hafa kosa dia
manao izay hahafantarany io
teny hazavain’ny mpiteny io.
Rehefa hita izany, dia ny
mpandray anjara hafa indray no
hanazava avy eo; nefa tsy azo
atao ny manao fihetsika
maneho ilay teny.
13 14 15
Maka tantara fohifohy iray, ary zaraina
ho fizarana efatra io tantara io. Omena
ampahan-tantara iray ny tarika
tsirairay.
1. Rehefa izany, dia mifidy olona
iray ny tarika tsirairay avy
hamaky ny tantara, mba
hohenon’ny namany. Marihina
nefa fa ampahan’ilay tantara
ihany io vakiany io.
2. Rehefa izany, dia samy mitady
ny hahafeno tanteraka ny
tantara avy ny mpandray anjara
tsirairay, ka tsiroaroa, dia mihaino
ny ampahan’ilay tantara avy
amin’ny tarika hafa izy, mandra-
pahenony ny tantara rehetra.
3. Ohatra hoe ny tarika voalohany
dia mamaky momba ny olana
nitranga, ny faharoa dia momba
ny anton’ny olana, ary ny
fahatelo dia ny vahaolana, na
ny fiafaran’ny tantara.
ny zavatra ilaina dia gony kelikely
dimy. Omena gony kely tsirairay
avy ny mpandray anjara.
1. Rehefa vita izany, dia mijoro
milahatra amin’ny faritra iray
ny mpandray anjara dimy te
hanao hazakazaka.
2. Samy manao izay
hahatongavany amin’ny
toerana iray fidian’ny
mpampilalao ny rehetra.
3. Ao anaty gony ny tongotra
roa, ary izay tonga voalohany
no mahazo ny loka.
4. Ny tanjon’ny kilalao dia ny
hampifaly ny mpandray anjara
sy ny mpijery manatrika izay tsy
mihazakazaka anaty gony.
Ny zavatra ilaina dia kanety efatra
farahafakelinyroa isaky ny tarika.
Zaraina ho antoko roa
lehibe ny mpandray
anjara rehetra, ka misy
10 ny antoko iray.
Milahatra
mitomandavana ny
antoko roa.
Samy manana sotro iray
avy ny tsirairay.
1. Atao ao am-bava ny tahon-
tsotro, ary ny sotro fihinanana
kosa no hifanolorana ilay
kanety amin’ny mpandray
anjara eo aoriana,
manomboka amin’ny laharana
voalohany ka hatramin’ny
fahafolo.
2. Raha vao latsaka ny kanety
dia tsy maintsy miverina
amin’ny laharana voalohany
indray izany, ka ny sotro ihany
no hanolorana azy..
16 17 18
Ny zavatra ilaina dia tavoangy
plastika roa efa foana (kely na
lehibe); na paoma roa
(farafahakeliny).
1. Inty kilalao inty dia mitovy
amin’ny fifanolorana atody
ihany.
2. Ny mahasamihafa azy, dia ny
tenda no ampiasaina
hifanolorana ilay tavoangy na
paoma. Milahatra ho antoko
roa ny mpilalao, ka miisa 10 ny
tarika iray. Samy omena
paoma na tavoangy iray avy
ny tarika tsirairay.
3. Izay tarika mahatonga ny
paoma na tavoangy
voalohany amin’ny laharana
fahafolo no mpandresy.
Zaraina ho antoko roa ny mpandray
anjara rehetra. Miisa folo ny antoko
iray. Zavatra ilaina: atody poakaty
roa. na folo poakaty.
1. Entina amin’ny sotro ny
atody, avy amin’ny
toerana iray (A) ho
amin’ny toerana (B), ka
sahabo ho 100 metatra ny
elanelan’ny faritra roa.
2. Milahatra mitomandavana
eo amin’ny faritra A ny
antoko iray, ary
mitomandavana eo
amin’ny faritra B ny antoko
faharoa.
3. Rehefa tonga amin’ny
faritra B ny mpilalao avy
amin’ny faritra A dia
hanolotra ilay atody
amin’ny sotro amin’ny
namany eo amin’ny faritra
B. Ny mpilalao avy amin’ny
faritra B dia mitondra ny
atody ho amin’ny faritra A.
Ny zavatra ilaina dia balonina
10, ka dimy isaky ny tarika.
1. Zaraina ho tarika roa ny
mpandray anjara rehetra,
ary samy omena balonina
5 avy isaky ny tarika.
2. Rehefa voabontsina ny
balonina, dia hatao
anelakelan’ny lohalika ka
entina mihazakazaka, avy
amin’ny faritra A mankany
amin’ny faritra B.
3. Ny tanjona dia ny
hitondrana ilay balonina
tsy milatsaka mankany
amin’ny faritra voatondro,
ary avy eo, dia misy
mpandray anjara iray
indray mitondra izany
miverina ho aminny faritra
A.
19 20 21
Milahatra tsiroaroa ny
mpandray anjara rehetra, ka
samy mifidy ny namany avy.
1. Milahatra amin’ny faritra A
avokoa ny mpandray
anjara rehetra, ka ny iray
dia borety ary ny iray
mpanosika borety.
2. Ny mpilalao tonga
voalohany amin’ny faritra
B no mpandresy.
3. Ny faharetan’ny kilalao dia
10 minitra.
Alahatra amin’ny faritra iray ny
kapoaka maromaro, miisa 10-15;
Zaraina ho antoko roa ny
mpilalao.
1. Mifandimby mitoraka
ireo kapoaka izay
nalahadahatra sy
mifampitaingintaingina
ny mpandray anjara
isan’antoko; ka izay
maharava ny kapoaka
voalohany ao anatin’ny
3-5 minitra no
mpandresy.
Ny zavatra ilaina tady mahazaka iray
4 na 5 metatra.
1. Zaraina ho tarika roa ny
mpandray anjara rehetra, ny
antoko iray ankavia, ny faharoa
kosa eo ankavanana.
2. Asiana faritra eo afovoan’ny
antoko roa mba tsy hahazo
hihoarany mandritra ny lalao.
3. Mihazona ny tady avokoa ny
mpandray anjara rehetra, ka
mifanatrika ny tarika roa; manao
izay tsy hahavotsotra ny tady izay
hifampisintonana.
4. Ny tarika izay mahasintona ny
mpifanandrina aminy hihoatra ilay
faritra voafetra no mpandresy.
22 23 24
Ny zavatra ilaina dia koveta kelikely
iray misy rano isaky ny tarika.
1. Mipetraka avokoa ny ankizy
mpandray anjara; ary asiana rano
ny koveta.
2. Mpilalao mipetraka amin’ny
laharana voalohany no mampita
ny koveta misy rano amin’ny
faharoa, ka atao ambony loha ny
koveta, ary tandremana mba tsy
ho very ny rano ao anatiny.
3. Ny laharana fahafolo no farany
mandray ny koveta , ka ny tarika
voalohany mahavita mampita ny
rano hatramin’ny farany no
mpandresy.
Ny zavatra ilaina dia baoritra lehibe
roa; ka iray isaky ny tarika; ka miisa 5
na 10 ny mpandray anjara anaty
tarika iray.
1. Miditra anaty bairitra ny
mpandray anjara voalohany,
miala amin’ny faritra A,
mankany amin’ny faritra B ary
avy eo dia miverina.
2. Rehefa vita izany dia omeny
ny namany iray tarika aminy
ny baoritra ka mandeha
torak’izany ihany ny mpilalao,
ary toy izany hatrany
hatramin’ny mpandray anjara
farany.
3. Ny tarika izay nahavita
nihazakazaka avokoa ny
mpilalao ao aminy no
mpandresy.
Miaraka tsiroaroa ny mpilalao. Ny
zavatra ilaina dia baolina plastika
roa. Afaka zaraina ho tarika roa ny
mpandray anjara rehetra.
1. Milahatra tsiroaroa, ary atao
eo ambalahan’ny tsiroaroa ny
baolina.
2. Mifaninana ny mpandray
anjara avy amin’ny tarika roa
mitondra ny baolina avy
amin’ny faritra A mankany
amin’ny B ary miverina
amin’ny A indray. Omena ny
mpandray anjara hafa
hatrany ilay baolina.
25 26 27
Ny zavatra ilaina dia hazo fisaka 2
metatra roa, tady nylon 10 metatra
eo ho eo (1 metatra isaky ny
mpandray anjara).
1. Tarika iray ihany no ilaina,
satria maneho firaisan-kina sy
fiaraha-miasa ny kilalao.
2. Zaraina folo ny tady 10
metatra. Asiana lavaka 5 avy
ny hazo fisaka roa metatra,
ary atsofoka ao ny tady efa
voatapaka.
3. Avona avy ao ambany ny
tady ary avoaka avy eo
ambonin’ilay hazo fisaka.
4. Miara-mandeha ambonin’ireo
hazo ny mpandray anjara, ka
ny tongotra havia sy
havanana dia samy misy hazo
avokoa.
Zaraina ho antoko roa ny mpilalao.
Tarika 1 sy 2.
1. Samy manao fandehan-
Kanakana avokoa ny
mpandray anjara rehetra,
miainga amin’ny faritra A
mankamin’ny faritra B.
2. Ny tarika tonga voalohany
amin’ny faritra B no mpandresy.
3. Azo atao ny manohy ny
hazakazaka rraha mbola tsy
reraka ny mpandray anjara.
Ny zavatra ilaina dia goelakana
lamba lehibe iray nozairina
hikambana ny sisiny roa nefa azo
idirana ao anatiny.
1. Mmiditra ao anatin’nilay
goelaka ny mpandray anjara
miisa dimy na efatra.
1. Atao izay
hahatongavana
amin’ny faritra
voatondro ; ka
kendrena tsara izay
hampirindra ny dia
mba tsy hisy
hianjera, ary mba
hahatongavana
amin’ny tanjona.
Mampirisika ny mpandray
anjara rehetra hazoto amin’ny
fiaraha-misa no tanjon’ny
kilalao, mba hahavitana ny
ezaka sy tanjona iarahana
manana.
28 29 30
Ny zavatra ilaina dia siny roa, iray isaky
ny tarika, ary kapoaka na kaopy iray
isaky ny mpandray anjara. Azo soloina
lovia plastika kely ny kaopy.
1. Miainga amin’ny faritra A ny
lalao. Asiana rano ny kaopy
voalohany, ary araraka amin’ny
kaopin’ny faharoa, ny faharoa
mandraraka amin’ny kaopin’ny
fahatelo, ary toy izany hatrany.
2. Ny mpandray anjara farany
kosa mandraraka ny rano ao
amin’ny siny amin’ny faritra B.
avy eo ambony loha mankany
aoriana no araraka ny rano.
3. Ny tarika mahafeno ny sininy
voalohany no mpandresy.

Contenu connexe

Plus de Fiangonan'Andriamanitra Miray

Valisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny MinoValisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny Mino
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf ErdenDas Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 

Plus de Fiangonan'Andriamanitra Miray (20)

Taom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i JehovahTaom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i Jehovah
 
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny ApokalypsyNy Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
 
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema VaovaoLanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
 
Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?
 
Fiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahanaFiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahana
 
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafoFitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
 
Valisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny MinoValisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny Mino
 
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
 
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
 
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
 
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
 
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'AndriamanitraHarena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
 
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf ErdenDas Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
 
El milenio:El reino de Jesucristo en la tierra
El milenio:El reino de Jesucristo en la tierraEl milenio:El reino de Jesucristo en la tierra
El milenio:El reino de Jesucristo en la tierra
 

Kilalao isan-karazany

  • 2. Teny fampidirana  Sahiran-tsaina mitady kilalao entina hanatsara ny fifandraisan’ny mpianakavy, na mpiara-mianatra, na ny mpiara-miasa ve ianao? Indreto misy kilalao vitsivitsy atolotra anao, natao hanatsarana ny fifandraisan’ny mpianakavy na ny mpiara- mianatra, na ny mpiara-miasa mandritra ny fotoana fialan- tsasatra na fitsangantsanganana.  Tsy mila fiomanana mialoha ny ankamaroan’ny kilalao, ary azo atao amin’ny toerana rehetra, na anaty trano na an-tokontany. Tsy mifidy taonan’ny mpandray anjara, ary azo atao amin’ny fotoana rehetra.
  • 3. Samy manoratra ny anarany sy ny mombamomba azy amin’ny taratasy kely avokoa ny mpandray anjara tsirairay avy. 1. Anarana sy sary maneho ny mombamomba ny mpandray anjara no hosoratany, toy ny zava- pisotro, na fanatanjahan-tena, na sakafo, sy ny fialam-boly tiany. 2. Angonina dia atao anaty satroka ny taratasy kely rehetra. 3. Samy maka taratasy key iray avy anaty satroka ny tsirairay. Avy eo dia miezaka hahalala ny olona izay voasoratra ao, amin’ny fanontaniana ny momba ilay olona araka ny sary hitany ao anaty taratasy; nefa ny valin-teny homena azy dia tsy misy afa-tsy ny “Eny” na “Tsia” ihany. 4. Ny tanjona dia ny hampifandraisana ny olona rehetra sy ny hifankahalalana. 5. Ny faharetan’ny kilalao dia 10 minitra. Samy manoratra anaran’ olo-malaza amin’ny taratasy kely avokoa ny mpandray anjara tsirairay avy. 1. Rehefa vita izany, dia angonina avokoa ny taratasy kely misy anaran’ny olo-malaza. Apetaka amin’ny ankanjon’ny mpandray anjara tsirairay ao amin’ny lamosiny izany, nefa tsy avela ho hitany akory ilay anarana. 2. Samy miezaka hahalala ny anaran’olo-malaza ao an-damosiny avokoa ny tsirairay, amin’ny fanontaniana ny mombamomba ilay olo-malaza voasoratra ao an- damosiny (asany, fonenany, sns); nefa ny valin-teny homena azy dia tsy misy afa-tsy ny “Eny” na “Tsia” ihany. 3. Ny tanjona dia ny hampifandraisana ny olona rehetra. 4. Ny faharetan’ny kilalao dia 10 minitra. 1 2 3 Samy mieritreritra fihetsika mifanaraka amin’ny anarany avokoa ny mpandray anjara tsirairay avy. 1. Rehefa vita izany, dia samy milaza ny anarany avy ny mpandray anjara, ary arahina fihetsika izany. 2. Samy mamerina ny fihetsika ataon’ny mpandray anjara avokoa ny rehetra. Maneho ny zavatra tian’ilay mpandray anjara ny fihetsika atao. 3. Ny tanjona dia ny hanamora ny fitadidiana ny anarana. 4. Ny faharetan’ny kilalao dia 10 minitra.
  • 4. Samy manamboatra fiaramanidina taratsy avokoa ny mpandray anjara, ary manoratra ny anarany sy fanontaniana anankiroa ho an’ny mpandray anjara hafa ao anatin’izany. 1. Rehefa vita izany, dia mijoro manao fari-bolana ny mpandray anjara rehetra, samy mandefa ny fiaramanidina taratasy avy, ary samy maka izay tandrifiny avy eo. 2. Rehefa afaka iray na roa minitra dia tsy misy mahazo mandefa fiaramanidina intsony. 3. Samy miezaka mitady ny tompon’ny fiaramanidina eny an-tanany, ary rehefa hita izany dia mamaly ny fanontaniana anankiroa voasoratra ao anatiny. 4. Farany, dia mampahalala ny tompon’ny fiaramanidina taratasy ny mpandray anjara rehetra ilay olona mihazona ny fiaramanidina. Samy mieritreritra teny milaza ny toetrany avy ny mpandray anjara rehetra. 1. Rehefa vita izany, dia mipetraka manao fari-bolana ny rehetra, ary samy milaza ny anarany ny ny toetrany avy. 2. Mamerina izay voalaza ny mpandray anjara manaraka, ary milaza ny momba azy koa avy eo. 3. Ny tanjona dia ny hampahafantatra ny mpandray anjara rehetra. 4 5 6 Samy maka namana vaovao mbola tsy fantany avokoa ny mpandray anjara tsirairay avy, ary miaraka tsitelotelo. 1. Rehefa izany, dia samy maka taratasy kely misy anton-dresaka any amin’ny mpitarika avokoa ny tarika tsirairay avy, ka maneho ny heviny momba izany. 2. Mandritra ny 5 minitra ny fanehoan-kevitra. 3. Rehefa afaka dimy minitra dia mifidy olona iray hitatitra ny fanapahan-kevitra ny tarika tsirairay, ary samy mihaino izany ny mpandray anjara rehetra. .
  • 5. Samy mieritreritra ny talenta entiny manamarika ny fitsangantsanganana avy ny mpikambana rehetra. 1. Rehefa vita izany, dia miaraka tsitelotelo, ka mifidy izay ho talenta asehony ny mpandray anjara rehetra ny tarika tsirairay avy. Mety ho hira, na tantara kely, na tononkalo no haseho amin’izany. 2. Rehefa afaka folo minitra dia manomboka ny fampisehoana talenta. 3. Ny tarika hafa izay mijery kosa dia maneho ny fankasitrahany ny mpandray anjara izay nahavita ny fampisehoany. Samy omena lohatenin-kira malaza tsirairay avy ny mpandray anjara rehetra; nefa amin’izany dia misy mpandray anjara telo manana lohatenin-kira mitovy. 1. Raha misy mpandray anjara 15, dia lohatenin-kira 5 no homanina, satria misy mpandray anjara tsitelotelo manana lohateny mitovy, nefa tsy mifankahalala. 2. Samy manao ny feon’ilay hira voasoratra nomena azy avokoa ny mpandray anjara tsirairay avy, ary mandehandeha mitady ny roa hafa izay manana hira mitovy aminy ny rehetra. Feon- kira no hatao, fa tsy hira. 3. Rehefa hita avokoa ny mpikambana mitovy hira dia samy miresaka mombamomba azy avokoa sy ny hira tiany ny tsirairay avy eo. 7 8 9 Zaraina tarika vitsivitsy ny mpandray anjara, ka mety ho 3 na 5 no isan’ny mpandray anjara anaty tarika iray. 1. Rehefa izany, dia samy homena taratasy kely misy teny iray avy ny tarika tsirairay. 2. Ohatra hoe: “Masoandro”, Maso”, Volana”, Neny”, Tanana nihaviana”, sns. 3. Mandritra ny 5 minitra dia mitady hira iray misy io teny io ny tarika tsirairay. 4. Rehefa afaka dimy minitra dia mifandimby mihira ny hirany ny tarika tsirairay avy. Amporisihina ny tarika tsirairay mba mampifanaraka tsara ny feony sy ny hirany avy.
  • 6. Samy maka vola iray avy ao am- paosiny avy ny mpandray anjara rehetra, ary mijery ny taona nivoahan’ izany vola izany. 1. Rehefa vita izany, dia samy milaza ny zavatra nisongadina teo amin’ny fiainany nandritra izany taona izany ny tsirairay. 2. Rehefa vita izany dia manorina tarika tsitelotelo ny mpandray anjara rehetra, ary miresaka misimisy kokoa ny zava-nitranga voalaza teo aloha. 3. Ny faharetan’ny kilalao dia 20 minitra. Miaraka tarika tsitelotelo ny mpandray anjara, ary samy mieritreritra ny tarigetrany isaky ny tarika avy. 1. Atao an-kira na an-tononkalo misy andalana efatra izany tarigetra izany. 2. Samy maneho ny tarigetran’ny tarika misy azy avy avy eo, ka tenenina na hiraina mafy izany. 3. Ny faharetan’ny kilalao dia 15 minitra. 10 11 12 Zaraina vatomamy tsirairay ny mpandray anjara rehetra, ka izay mahazo vatomamy mitovy loko ny fonony dia miaraka ho tarika iray. 1. Rehefa izany, dia manao lisitry ny zavatra mampiavaka azy ny tarika tsirairay, momba ny loko tiany, sakafo tiany, sari-mihetsika tiany, sy ny mpilalao sari- mihetsika tiany. Marihina fa zavatra iraisan’ny tarika no hataony lisitra eto. 2. Rehefa afaka dimy minitra dia mifandimby milazalaza ny momba ny tarika misy azy avy ny solon-tenan’ny tarika tsirairay.
  • 7. Zaraina tarika maromaro ny mpandray anjara ka tsitelotelo ny tarika iray. Samy miresaka izay nataony ny Zoma hariva avy. 1. Samy milaza ny zavatra nataony ny zoma hariva sy ny toerana nalehany ny tsirairay. Tsy maintsy lazaina koa izay tena nampiavaka io hariva io amin’ny hariva rehetra. 2. Rehefa vita izany dia milaza ny zavatra hataony ny zoma hariva manaraka indray ny tsirairay avy isaky ny tarika. 3. Rehefa vita izany dia miaraka amin’ny mpikambana avy amin’ny tarika hafa ny mpandray anjara tsirairay ary mamaly ireo fanontaniana ireo ihany. Zaraina taratasy kely misy teny iray avy ny mpandray anjara rehetra. 1. Milaza zavatra ilaina amin’ny fiainana andavan’ andro ny teny, toy ny penina, mosoara, vilany, ondana, sns. 2. Ny mpandray anjara tsirairay dia omena 30 segaondra na iray minitra manazava ilay teny na ny fampiasana azy; nefa tsy azony atao ny miteny mivantana ilay teny voasoratra ho azy. 3. Ny mpikambana hafa kosa dia manao izay hahafantarany io teny hazavain’ny mpiteny io. Rehefa hita izany, dia ny mpandray anjara hafa indray no hanazava avy eo; nefa tsy azo atao ny manao fihetsika maneho ilay teny. 13 14 15 Maka tantara fohifohy iray, ary zaraina ho fizarana efatra io tantara io. Omena ampahan-tantara iray ny tarika tsirairay. 1. Rehefa izany, dia mifidy olona iray ny tarika tsirairay avy hamaky ny tantara, mba hohenon’ny namany. Marihina nefa fa ampahan’ilay tantara ihany io vakiany io. 2. Rehefa izany, dia samy mitady ny hahafeno tanteraka ny tantara avy ny mpandray anjara tsirairay, ka tsiroaroa, dia mihaino ny ampahan’ilay tantara avy amin’ny tarika hafa izy, mandra- pahenony ny tantara rehetra. 3. Ohatra hoe ny tarika voalohany dia mamaky momba ny olana nitranga, ny faharoa dia momba ny anton’ny olana, ary ny fahatelo dia ny vahaolana, na ny fiafaran’ny tantara.
  • 8. ny zavatra ilaina dia gony kelikely dimy. Omena gony kely tsirairay avy ny mpandray anjara. 1. Rehefa vita izany, dia mijoro milahatra amin’ny faritra iray ny mpandray anjara dimy te hanao hazakazaka. 2. Samy manao izay hahatongavany amin’ny toerana iray fidian’ny mpampilalao ny rehetra. 3. Ao anaty gony ny tongotra roa, ary izay tonga voalohany no mahazo ny loka. 4. Ny tanjon’ny kilalao dia ny hampifaly ny mpandray anjara sy ny mpijery manatrika izay tsy mihazakazaka anaty gony. Ny zavatra ilaina dia kanety efatra farahafakelinyroa isaky ny tarika. Zaraina ho antoko roa lehibe ny mpandray anjara rehetra, ka misy 10 ny antoko iray. Milahatra mitomandavana ny antoko roa. Samy manana sotro iray avy ny tsirairay. 1. Atao ao am-bava ny tahon- tsotro, ary ny sotro fihinanana kosa no hifanolorana ilay kanety amin’ny mpandray anjara eo aoriana, manomboka amin’ny laharana voalohany ka hatramin’ny fahafolo. 2. Raha vao latsaka ny kanety dia tsy maintsy miverina amin’ny laharana voalohany indray izany, ka ny sotro ihany no hanolorana azy.. 16 17 18 Ny zavatra ilaina dia tavoangy plastika roa efa foana (kely na lehibe); na paoma roa (farafahakeliny). 1. Inty kilalao inty dia mitovy amin’ny fifanolorana atody ihany. 2. Ny mahasamihafa azy, dia ny tenda no ampiasaina hifanolorana ilay tavoangy na paoma. Milahatra ho antoko roa ny mpilalao, ka miisa 10 ny tarika iray. Samy omena paoma na tavoangy iray avy ny tarika tsirairay. 3. Izay tarika mahatonga ny paoma na tavoangy voalohany amin’ny laharana fahafolo no mpandresy.
  • 9. Zaraina ho antoko roa ny mpandray anjara rehetra. Miisa folo ny antoko iray. Zavatra ilaina: atody poakaty roa. na folo poakaty. 1. Entina amin’ny sotro ny atody, avy amin’ny toerana iray (A) ho amin’ny toerana (B), ka sahabo ho 100 metatra ny elanelan’ny faritra roa. 2. Milahatra mitomandavana eo amin’ny faritra A ny antoko iray, ary mitomandavana eo amin’ny faritra B ny antoko faharoa. 3. Rehefa tonga amin’ny faritra B ny mpilalao avy amin’ny faritra A dia hanolotra ilay atody amin’ny sotro amin’ny namany eo amin’ny faritra B. Ny mpilalao avy amin’ny faritra B dia mitondra ny atody ho amin’ny faritra A. Ny zavatra ilaina dia balonina 10, ka dimy isaky ny tarika. 1. Zaraina ho tarika roa ny mpandray anjara rehetra, ary samy omena balonina 5 avy isaky ny tarika. 2. Rehefa voabontsina ny balonina, dia hatao anelakelan’ny lohalika ka entina mihazakazaka, avy amin’ny faritra A mankany amin’ny faritra B. 3. Ny tanjona dia ny hitondrana ilay balonina tsy milatsaka mankany amin’ny faritra voatondro, ary avy eo, dia misy mpandray anjara iray indray mitondra izany miverina ho aminny faritra A. 19 20 21 Milahatra tsiroaroa ny mpandray anjara rehetra, ka samy mifidy ny namany avy. 1. Milahatra amin’ny faritra A avokoa ny mpandray anjara rehetra, ka ny iray dia borety ary ny iray mpanosika borety. 2. Ny mpilalao tonga voalohany amin’ny faritra B no mpandresy. 3. Ny faharetan’ny kilalao dia 10 minitra.
  • 10. Alahatra amin’ny faritra iray ny kapoaka maromaro, miisa 10-15; Zaraina ho antoko roa ny mpilalao. 1. Mifandimby mitoraka ireo kapoaka izay nalahadahatra sy mifampitaingintaingina ny mpandray anjara isan’antoko; ka izay maharava ny kapoaka voalohany ao anatin’ny 3-5 minitra no mpandresy. Ny zavatra ilaina tady mahazaka iray 4 na 5 metatra. 1. Zaraina ho tarika roa ny mpandray anjara rehetra, ny antoko iray ankavia, ny faharoa kosa eo ankavanana. 2. Asiana faritra eo afovoan’ny antoko roa mba tsy hahazo hihoarany mandritra ny lalao. 3. Mihazona ny tady avokoa ny mpandray anjara rehetra, ka mifanatrika ny tarika roa; manao izay tsy hahavotsotra ny tady izay hifampisintonana. 4. Ny tarika izay mahasintona ny mpifanandrina aminy hihoatra ilay faritra voafetra no mpandresy. 22 23 24 Ny zavatra ilaina dia koveta kelikely iray misy rano isaky ny tarika. 1. Mipetraka avokoa ny ankizy mpandray anjara; ary asiana rano ny koveta. 2. Mpilalao mipetraka amin’ny laharana voalohany no mampita ny koveta misy rano amin’ny faharoa, ka atao ambony loha ny koveta, ary tandremana mba tsy ho very ny rano ao anatiny. 3. Ny laharana fahafolo no farany mandray ny koveta , ka ny tarika voalohany mahavita mampita ny rano hatramin’ny farany no mpandresy.
  • 11. Ny zavatra ilaina dia baoritra lehibe roa; ka iray isaky ny tarika; ka miisa 5 na 10 ny mpandray anjara anaty tarika iray. 1. Miditra anaty bairitra ny mpandray anjara voalohany, miala amin’ny faritra A, mankany amin’ny faritra B ary avy eo dia miverina. 2. Rehefa vita izany dia omeny ny namany iray tarika aminy ny baoritra ka mandeha torak’izany ihany ny mpilalao, ary toy izany hatrany hatramin’ny mpandray anjara farany. 3. Ny tarika izay nahavita nihazakazaka avokoa ny mpilalao ao aminy no mpandresy. Miaraka tsiroaroa ny mpilalao. Ny zavatra ilaina dia baolina plastika roa. Afaka zaraina ho tarika roa ny mpandray anjara rehetra. 1. Milahatra tsiroaroa, ary atao eo ambalahan’ny tsiroaroa ny baolina. 2. Mifaninana ny mpandray anjara avy amin’ny tarika roa mitondra ny baolina avy amin’ny faritra A mankany amin’ny B ary miverina amin’ny A indray. Omena ny mpandray anjara hafa hatrany ilay baolina. 25 26 27 Ny zavatra ilaina dia hazo fisaka 2 metatra roa, tady nylon 10 metatra eo ho eo (1 metatra isaky ny mpandray anjara). 1. Tarika iray ihany no ilaina, satria maneho firaisan-kina sy fiaraha-miasa ny kilalao. 2. Zaraina folo ny tady 10 metatra. Asiana lavaka 5 avy ny hazo fisaka roa metatra, ary atsofoka ao ny tady efa voatapaka. 3. Avona avy ao ambany ny tady ary avoaka avy eo ambonin’ilay hazo fisaka. 4. Miara-mandeha ambonin’ireo hazo ny mpandray anjara, ka ny tongotra havia sy havanana dia samy misy hazo avokoa.
  • 12. Zaraina ho antoko roa ny mpilalao. Tarika 1 sy 2. 1. Samy manao fandehan- Kanakana avokoa ny mpandray anjara rehetra, miainga amin’ny faritra A mankamin’ny faritra B. 2. Ny tarika tonga voalohany amin’ny faritra B no mpandresy. 3. Azo atao ny manohy ny hazakazaka rraha mbola tsy reraka ny mpandray anjara. Ny zavatra ilaina dia goelakana lamba lehibe iray nozairina hikambana ny sisiny roa nefa azo idirana ao anatiny. 1. Mmiditra ao anatin’nilay goelaka ny mpandray anjara miisa dimy na efatra. 1. Atao izay hahatongavana amin’ny faritra voatondro ; ka kendrena tsara izay hampirindra ny dia mba tsy hisy hianjera, ary mba hahatongavana amin’ny tanjona. Mampirisika ny mpandray anjara rehetra hazoto amin’ny fiaraha-misa no tanjon’ny kilalao, mba hahavitana ny ezaka sy tanjona iarahana manana. 28 29 30 Ny zavatra ilaina dia siny roa, iray isaky ny tarika, ary kapoaka na kaopy iray isaky ny mpandray anjara. Azo soloina lovia plastika kely ny kaopy. 1. Miainga amin’ny faritra A ny lalao. Asiana rano ny kaopy voalohany, ary araraka amin’ny kaopin’ny faharoa, ny faharoa mandraraka amin’ny kaopin’ny fahatelo, ary toy izany hatrany. 2. Ny mpandray anjara farany kosa mandraraka ny rano ao amin’ny siny amin’ny faritra B. avy eo ambony loha mankany aoriana no araraka ny rano. 3. Ny tarika mahafeno ny sininy voalohany no mpandresy.