1. GENETIQUE ET HERETIDE
Salama tompoko ô, manasa anao
Hamaky an’ity cahier vaovao
Mifantoha mandraisa penina
Mahaiza mihaino dia mianara tsara
Ny lesona androany dia SVT
Hiresaka génétique sy Hérédité
Hofantarintsika ny momba ny variation
Ka henoy tsara ireto définitions
Ny atao hoe espèce rehefa nodinihina
Dia biby mitovy sady iray fiaviana
Afaka mivady sy hahazoan-taranaka
Interfeconds na afa-mananjanaka
Ny atao hoe population no hazavaiko indray
Espèce miara-monina @ toerana iray
Ohatra hoe amoron-drano misy andian’anophèles
Na koa Population de mouches dans une poubelle
Manana endrika maro ny biby même espèce
Variation ny iantsoana azy letsy
Misy karazany moa ny variation
Eo ny mutation eo koa ny somation
Raha tiantsika ho fakafakaina izy ity
De andao àry hiditra amin’ny biométrie
Fandinihana an-tontan’isan’ireo karazam-bidy misy
Sy ireo caractères mainty, fotsy na metisy
Rehefa hanao étude de variations
Fa manao tableau de distribution
Apetraka amin’ny ordonnés ny fréquence misy
Ny variables kosa atao amin’ny abscisse
Histogramme no atao raha variation continue
Diagramme en batôns raha discontinue
Etudieo ny mode sy ny moyenne arithmétique
Aza adino ny variance sy ny ecart type
Analyseo tsara ny courbe de fréquence
Omeko sopapa kely hahaizanao ny variance
Courbe unimodale raha population homogène
Courbe bimodale raha population hétérogène
Mbola mihaona tsara ve ianao toa midanaka e
Mifantoha tsara raha te ho afaka Bacc e
2. Nareo kf’boay sy nareo mademoiselles
Henoy fa hazavaiko ny génétiquen’i Mendel
Ny Gène moa dia responsable de caractère
Izy io dia karazana facteur héréditaire
Ny ahitana , ao anaty chromosomes
Ny fitambaran’izy rehetra atao hoe génome
Misy endriny maro ny gene, hoy Mendel
Ireo ilay nomena anarana hoe allèles
Ny fitoerany any anaty no atao hoe genotype
Ny fisehony ety ivelany atao hoe phenotype
Rehefa croisé-na ny géne anankiroa
Dia misy recessif fa tsy miara-miseho avokoa
Izy miseho ivelany no atao dominants
Rehefa mitovy hery dia isodominants
Marihina fa ny genotype amin’ny race pure
De gamete iray ihany na homozygote
Fa raha race hybride, za aloha tena sure
Fa gamètes anankiroa na hétérozygote
Tiako ny hampita aminareo namana
Fa maro ny croisements nanaovam-panandramana
Izay nataon’i Mendel ka samy ilaina @ bôsy
Recessif sy hybride zao nataony hoe back-cross
Na race hybride io na race pure
Dia samy nanaovan’i Mendel aventure
Raha gene anankiray dia monohybridisme
Raha anankiroa dia dihybridisme
Ny andrana nataon’i Mendel no nahazoany
Fa mitovy avokoa ny generation voalohany
Io no manome no vokatry ny croissement
Proportion tokana dia 100 pourcent
Raha tranga-na dominance recessivité
Natao ny croisements ka indro nanome
¾, ¼ hoan’ny génération faharoa
Ny back-cross kosa fifty fifty
Raha miseho ny tranga-na codominance
Dia miova kely fotsiny amin’ny tatsy ambony tatsy
Ny F2 manome un quart, un quart, un demi
Ny back-cross kosa mbola fifty fifty
3. Raha dihybridisme, segregation independante
Dia misy efa ny génotype hita ao anaty
1 – 3 – 3 ary 9 sur16
Io no proportion azo raha natao synthèse
Ny back-cross kosa ¼ in’efatra
Izay Proportion sy logique mipetraka
Azo atao ny mijery ireo gene tsirairay
Rehefa azo ny vokatra dia atambatra amzay
Vita izay ny lesona momba ny génétique
Mahaiza mampihatra sy manaraka logique
Aza kivizivy fa samia re mitraka
Satria ny tanjontsika dia ny ho afaka back
Veloma tompoko ô, misaotra anao
Namaky an’ity cahier vaovao
Mifantoha mandraisa penina
Mahaiza mihaino dia mianara tsara
Ho afaka Bacc ô ô
Paroles: Bëllarminovitch